1 / 100

Vol. 1

J ESOSY. HAFATR’I. ho an’ny. Andro farany. Vol. 1. “ Sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo; ary indro Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao.” (Mat. 28:20). S ABBATH M ORNING E VANGELISM. NY TOMBOKASEN’

catrin
Télécharger la présentation

Vol. 1

An Image/Link below is provided (as is) to download presentation Download Policy: Content on the Website is provided to you AS IS for your information and personal use and may not be sold / licensed / shared on other websites without getting consent from its author. Content is provided to you AS IS for your information and personal use only. Download presentation by click this link. While downloading, if for some reason you are not able to download a presentation, the publisher may have deleted the file from their server. During download, if you can't get a presentation, the file might be deleted by the publisher.

E N D

Presentation Transcript


  1. JESOSY HAFATR’I ho an’ny Androfarany Vol. 1 “Sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo; ary indro Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao.” (Mat. 28:20)

  2. SABBATH MORNING EVANGELISM

  3. NY TOMBOKASEN’ ANDRIAMANITRA HAHAZOANA FANDRESENA

  4. Apokalypsy 7:1 “Rehefa afaka izany, dia hitako fa, indreo, nisy anjely efatra nitsangana teo amin’ny vazan-tany efatra, nihazona ny rivotra efatra amin’ …

  5. Apokalypsy 7:1 …ny tany, mba tsy nisy rivotra hitsoka amin’ny tany, na amin’ny ranomasina, na amin’ny hazo akory aza.”

  6. Apokalypsy 7:2, 3 “Ary hitako fa, indro nisy anjely hafa koa niakatra avy tamin’ny fiposahan’ny masoandro, nanana ny fanombohan-kasen’Andriamanitra velona; ary izy niantso…

  7. Apokalypsy 7:2, 3 … ny anjely efatra izay navela hanimba ny tany sy ny ranomasina tamin’ny feo mahery nanao hoe:, …

  8. Apokalypsy 7: 2, 3 ‘Aza manimba ny tany, na ny ranomasina, na ny hazo, mandra-panisianay tmbo-kase eo amin’ny handrin’ny mpanompon’Andriamanitsika.”

  9. Efesiana 4:30 “Ary aza mampalahelo ny Fanahy Masin’Andriamanitra, izay nanisiana tombo-kase anareo ho amin’ny andro fanavotana.”

  10. Isaia 8:16 “Fehezo ny teni-vavolombelona, ary asio tombo-kase ny lalàna eo amin’ny mpianatro.”

  11. Hebreo 8:10 “FA izao no fanekena hataolo amin’ny taranak’Israely, Rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Dia hataoko ao an-tsainy ny lalàko,…

  12. Hebreo 8:10 …sady hosoratako ao am-pony, ary Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko.”

  13. I Jaona 3:4 “Izay rehetra manota no mandika lalàna; fa ny ota no fandikana ny lalàna.”

  14. Jaona 14:15 “Raha tia Ahy ianareo dia hitandrina ny didiko.”

  15. Eksôdôsy 20:8-11 “Mahatsiarova ny andro Sabata hanamasina azy. Henemana no hiasanao sy hanaovanao ny raharahanao rehetra. Fa Sabatan’i Jehovah Andriamanitrao ny andro fahafito;

  16. Eksôdôsy 20:8-11 koa aza manao raharaha akory ianao amin’izany, na ny zanakao-lahy, na ny zanakao-vavy, na ny ankizilahinao, na ny ankizivavinao,…

  17. Eksôdôsy 20:8-11 …na ny biby fiompinao, na ny vahininao izay tafiditra eo am-bavahadinao.

  18. Eksôdôsy 20:8-11 Fa henemana no nanaovan’i Jehovah ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina mbamin’izay rehetra ao aminy, dia nitsahatra Izy tamin’ny andro fahafito;

  19. Eksôdôsy 20:8-11 Izany no nitahian’i Jehovah ny andro Sabata sy ny nanamasinany azy.”

  20. Ezekiela 20:20 “Ary manamasina ny Sabatako, mba ho famantarana ho amiko sy ho aminareo, ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.”

  21. Isaia 8:16 “Fehezo ny teni-vavolombelona, ary asio tombo-kase ny lalàna eo amin’ny mpianatro.”

  22. Eksôdôsy 31:13 “Ny Sabatako no tandremo; fa famantarana ho Amiko…”

  23. Dr. W. W. Evert, D.D The Sabbath: Its Permanence, Promise and Defense,pp. 34, 35 “Ny Sabata no natao ho marika famantarana ny fifanekena nataon’Andriamanitra tamin’ny Isiraely… Ilay fanamasinana izay tena manan-danja…

  24. Dr. W. W. Evert, D.D The Sabbath: Its Permanence, Promise and Defense,pp. 34, 35 ho fikolokoloana ny ara-pivavahana, no indro tonga porofo sy famàrana azy io, ary tsy ho azy ihany fa ho an’ny rehetra mandritra ny taona mifandimby.”

  25. Genesisy 2:1, 2 “Dia vita ny lanitra sy y tany sy izay rehetra ao aminy. Ary tamin’ny andro fahafito dia vitan’Andriamanitra ny asa efa nataony;

  26. Genesisy 2:1, 2 …ary dia nitsahatra tamin’ny andro fahafito Izy tamin’ny asany rehetra izay efa nataony.”

  27. Amos Binney “Ny fitahian’Andriamanitra sy ny fanamasinany ny andro iray dia midika fa nosarahany tamin’ny mahazatra izany andro izany mba hatokana ho an’ny fivavahana, ho fahatsiarovana na marika mitoetra maharitra …

  28. Amos Binney …ka izay rehetra mitandrina azy dia haneho ny tenany ho tena mpanompon’ilay Andriamanitra izay nanao izao tontolo izao tao anatin’ny enina andro, ka nitsahatra tamin’ny andro fahafito.”

  29. Hebreo 1:2 “Izy no nanao izao tontolo izao.”

  30. Jaona 1:10 “Teo amin’izao tontolo izao Izy, ary Izy no nanaovana izao tontolo izao, nefa izao tontolo izao tsy nahalala Azy.”

  31. Marka 2:27, 28 “Ary hoy Izy taminy: Ny Sabata no natao ho an’ny olona, fa tsy ny olona ho an’ny Sabata, ka dia Tompon’ny Sabata aza ny Zanak’olona.”

  32. Seth Williston Discourses on the Sabbath, pp.11, 12 “Ny Sabata isan-kerinandro dia notendrena sy notandremana tamin’ilay herinandro voalohany teto an-tany. Tsy mba anisan’ireo lalàna seremonialy izy io, izay lalàna noforonina vokatry ny fidiran’ny fahotana; ...

  33. Seth Williston Discourses on the Sabbath, pp.11, 12 …satria ny Sabata dia natsangana talohan’ny nidiran’ny fahotana, ary tsy maintsy notandreman’i Adama sy ny taranany na dia tsy nisy fahotana aza teo anivon’izy ireo.”

  34. Eny tokoa, ny Sabata dia notandreman’i Adama, Enoka, Noa, Abrahama, ary ireo olon’Andriamanitra lehibe, talohan’ny nisian’ny Jiosy.

  35. Alexander Campbell The Evidences of Christianity, p. 302 “Ny Andro Fahafito dia notandremana nanomboka tamin’ny andron’i Abrahama, fa tsy dia tamin’ny andron’ny famoronana loatra.”

  36. Genesisy 26:5 “Satria efa nihaino ny feoko Abrahama ka nitandrina izay nasaiko notandremany, dia ny didiko sy ny teniko ary ny lalàko.”

  37. Lioka 4:16 “Dia tonga tao Nazarea, izay nahabe Azy Izy; ary araka ny fanaony dia niditra tao amin’ny Synagoga tamin’ny andro Sabata Izy ka nitsangana hamaky teny.”

  38. Hebreo 13:8 “Jesosy Kristy no tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay.”

  39. I Petera 2:21 “…namela fianarana ho anareo, mba hanarahanareo ny diany.”

  40. Matio 24:20 “Fa mivavaha ianareo mba tsy ho amin’ny ririnina na ho amin’ny andro Sabata no handosiranareo.”

More Related