350 likes | 520 Vues
Ny ato am - poko ? ho Anao mandrakizay ‘Lay Fanantenako. HAFATRA. Ho any ianao, kanefa… Aza ataonao fantany izao fahoriako izao,fa aoka hiafina aminy Ny ketoky ny jaly Nanepaka ny aiko,tanatin’ny longoa Izay namandrihany ahy… Ny dinitry ny foko manorika ahy mangina ,
E N D
HAFATRA Ho any ianao, kanefa… Aza ataonao fantany izao fahoriako izao,fa aoka hiafina aminy Ny ketoky ny jaly Nanepaka ny aiko,tanatin’ny longoa Izay namandrihany ahy… Ny dinitry ny foko manorika ahy mangina , Fa sempo-tsasakalina Maraina ity anjarako Aza ataonao fantany !
…Raha manontany izy , Iangaviko ianao handainga indray mandeha! Lazao fa manadino ny momba azy rehetra Ny saiko manontolo Rako-bonikazo hoe ireo lavenon-dasa Natoraky ny adaoro Ireto diary ireto lazao fa efa may Sy tapitra efa kila… …fa ny volofotsiko, ny ketroketron’handriko Afeno dia afeno! Azonao izany!
Etsy kely koa hafarako ianao Jereo raha sambata izy ! Mba hamataranao Dia ireto no fambara : « Ao an’efitranony:misy voninkazo Tsy maintsy mavokely… Eo an-doham-fandriany : Ny sarin’olotiany… na iza n’ iza izay Rahaireo no hitanao dia efa sambatra izy Ka aza asiana resaka momba ahy akory F’ izany rahateo no niriako ho azy…
Izany no hafatrafatro Ka tazomy tsara… ary dia veloma ! Saingy etsy ange! Ty tànanao ity aza akasi-javatra mandra-pifandrain’ ny tànanao sy ny azy… eny ê! …Ampy izay tongava soa aman-tsara! Dia akatony mora io varavarana io Fa hitomany aho
Auteur RADO (George ANDRIAMANANTENA) R. Parfait
Matahotra ho tia ! KISENDRASENDRA Kisendrasendra angamba,ilay isika nifanena Kisendrasendra koa ’lay topimasontsika Kanefa tamin’iny injao nangenahena Ny fo amam-panahy sy ny fiainantsika
Kisendrasendra ,angamba,ilay teniko mangina Toa mila tsy ho re…. kisendrasendra koa Ny nahatonga anao hamaly am-pifaliana Ny teny izay nataoko…kanjo tao am-po Dia samy efa tia !
F’izay vao tena tia! Kisendrasendra angamba ilay ianao natahotra Ka nadray ny tànako ho vahatra ifaharana Kisendrasendra angamba izaho ’lay vahobahotra Namihina anao…. Nahita fahasambarana
Malalako ho doria ! Kisendrasendra angamba ilay ianao tsy tratrako Fa lasana nadeha…kisendrasendra mamy ! Fa ny alahelom-poko,ny tsiaro feno fatrako No nanambara tamiko,fa ianao no hany
Auteur RADO(GeorgeANDRIAMANANTENA) R.Parfait
HETRAKETRAKA Misy maso tsy hitanao fa mijery anao ihany Misy fo tsy tsapanao fa mitempo anao mangina Misy saina tsy arakao fa misaina anao hatrany Misy tia tsy fantatrao fa mandray anao ho tiana Hetraketraka !
Hetraketraka ! Misy olo-maminao,mankahala anao tanteraka Misy endrika tianao, tsy mahalala anao akory Misy fo irifanao, milefa anao ho gina reraka Misy tsiky andrasanao ,lasa eso mampaory
Hetraketraka ! Misy sento indray mitosaka nefa tsy mba miombon-dray Misy maso indray mitopy nefa tsy mba mifanena Misy tànana mitsotra, nefa tsy mba mifandray Misy tiana sady tia, nefa miandry mihenahena
Hetraketraka ! Misy fo te hifangia fa soparan-tsy hiaraka Misy fo fanahy miray fa didina hifampiery Misy tana-mifandray fa dia misy mampisaraka Misy aina !roa ho iray fa sarahana an-tery!
Auteur Elie RAJAONARISON Nalisoa RAVALILTERA (Solimotel – Anosy,1988) R.Parfait
NOFY Torimaso mamy iray anivon’alin’ny ririnina No nitondran’ny nofiko ahy hanoloana anao rahavako Nasehony ahy teo ianao ho tsinapa sy fihinina Hanaparako fijery mbola mandon’ny fitiavako
Tsisy teny re akory: gina, sina ny tontolo Afa-tsy ny tsikinao malefadefaka fiantefa Nanala tahotra ny foko sy namelombelom-bolo Ilay fitiavako efa resy, folaka nirefarefa
Fihina tsy hay lazaina mamy noho ny mamy indrindra Toy ny taho ladinin-daingo: rafitra mitovy rindra, No nifamikirantsika nampijoro ny nokoa ….. Minitra tiana ho doria, vakin’andro tian-ko taona, Tsimoka nirin-ko taho hamela-panja lohataona… Kanjo hay dia nofy ihany … nofy mamy tsy ho lo
Auteur RADO (George ANDRIAMANANTENA) 15/07/55 R. Parfait
NONY INJAY ’lay tenako nanahiahy ny ho avy sy ny ampitsony Nivahobahotra famindra amin’izato maso ditsony Nony injay nahita anao:nihiratra nanganohano Toy ny matin-ketaheta sendra hiran-doharano
’lay saiko trotraky ny ady ,valalanin’ny fiainana Nanantena fandresena nefa vontom-pitarainana Nony injay nahita anao sy ny topimasonao Toy ny efa saiky resy notoloran-kery vao ’lay foko mpakamamy hira ,nefa mbola tsy nahita Kalo fatratra firindra tamin’izay rehetra vita Nony injay nikalo ianao,izao no fantatro,rahavako Izay no hira kanto indrindra horaketin’ny fitiavako
Auteur RADO (George ANDRIAMANANTENA 06/10/56 R. Parfait
NY HERIKO VE ? Ny heriko ve ? Tsy sandry madonda mpanao an-detrezana Manery ,kanefa dia azo iaretana… Fa rariny anaty ,ka raha amelezana Mampihorohoro ny fieritreretana
Ny heriko ve ? Tsy vola mandriaka,manao rano vaky Ka mila takalo manao « inty sy inday » Fa maso mitia sy mambabo malaky Kanefa mamatotra mandrakizay
Ny heriko ve ? Tsy basy sy vanja manao variraraka Mampanangasanga ny herin’ny fasana Fa herin’ny saina tsy vonon-kandraraka Ny ilon’ny marina tsy azo kakasana
Auteur RADO (George ANDRIAMANANTENA) 08/08/69 R. Parfait
EMBONA O! ry vorona mandalo ,miserana eny ambony eny Azafady indrindra ho’aho hampitondraiko taratasy Ho an’ilay malalako any, fa mangina singan-drery; Aty an-tanin’olon-kafa,onena sy mangasiasy
o! ry volana eny ambony ,mpanazava irony alina, Ianao no antenaiko, hanembonako ilay tiana; Izy koa angamba izay,mahita anao dia mba manina; Koa omeo ny taratrao,mba samy hahazo fifaliana
Ô! Ry kintana mirenty,izay mpandravaka ny lanitra; Aiza ho aiza aminareo,ny solon-tenan’ilay tiako? Misehoa amiko eto,fa ho foana tsy haharitra ; Ny alaheloko rehetra, ny ranomasom-pahoriako
Ô! Ry rano mikoriana,misosa dia misosahatranyraha sendra mba mandalo,’lay tanàny any ianaodia ambarao azy tsara fa na tsiky na tomany ny fitiavanyhono hoe, tsy mety miova hatramin’izao
Auteur VOLA R. Parfait